Tôpazy

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Kristalin' ny tôpazy mipetaka amin' ny vatokaranana.

Ny tôpazy na tôpaza dia mineraly, ao amin' ny vondron' ny silikata, karazana silikata-na viraty misy fliôro, izay mety hahitana vy, krôma, maneziôma ary titanina. Ny raikipohy simikany dia Al2SiO4(F, OH)2. Toy ny fitaratra ny fanjelany ary mety miseho amin' ny endrika tsy misy loko, mavo, maitso, manga na mena. Ny hamafiny dia 8 ary ny hakitrony 3,4 hatramin' ny 3,6. Azo atao vatosoa izy.

Tôpazy tany Brezila

Ny tôpazy dia hita ao amin' ny ginesy na ny granita mifandray amin' ny berila, ny eladrano, ny tormalinina ary indraindray amin' ny apatita, ny kasiterita ary ny fliôrita. Izy io koa dia hita ao amin' ny nofom-bato sasany misy talka, ao amin' ny takelaka eladrano, ao amin' ny riôlita sy ao amin' ny tahiry na vangongon' antsanga. Matetika ny tôpazy dia trandrahina amin' ny lavaka midanadana misokatra na amin' ny toerana misy niangonan' antsanga.

Ny karazana tôpazy kristaly dia ampiasaina ho vatosoa noho ny hamafin' izy ireo. Ny loko tian' ny olona indrindra amin' ny vatosoa tôpazy dia mavo. Ny tôpazy mavokely dia manana loko tsara. Ampiasaina ho vatosoa amin' ny firavaka sy amin' ny fanaingoana hafa izy io. Ny tôpazy fantatra indrindra amin' ny toetrany voajanahary dia tsy misy loko, nefa misy ny loto izay mety hahatonga azy ho manga hatsatra, na manja volamena hatramin' ny mavo-voasary. Matetika ny tôpazy dia karakaraina amin' ny hafanana na amin' ny taratra mba hahatonga azy ho manga, volom-boasary manopy mena, maitso hatsatra, mavokely, na volomparasy.

Faritra misy tôpazy betsaka eto amin' izao tontolo izao

Hita any amin' ny faritra maro maneran-tany ny tôpazy. Ny sasany amin' ny toerana malaza indrindra ahitana tôpazy dia i Brezila sy i Rosia.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]