Kôrdierita

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Kôrdierita

Ny kôrdierita na iôlita dia karazana mineraly ao amin' ny vondrona silikata, manana raikipohy simika Al3Mg2AlSi5O18, izay mety hahitana soritra manganezy (Mn), vy (Fe), titanina (Ti), kalsiôma (Ca), sôdiôma (Na) ary pôtasiôma (K). Saika misy foana ny vy, ary misy tsora mivaingana eo anelanelan' ny kôrdierita betsaka maneziôma sy sekaninaita betsaka vy manana raikipohy simika tandahatra manomboka amin' ny (Mg,Fe)2Al3(Si5AlO18) hatramin' ny (Fe,Mg)2Al3(Si5AlO18).

Kôrdierita

Efa ela no niheverana ny kôrdierita ho siklôsilikata, nefa ankehitriny dia voasokajy ao amin' ny tektôsilikata izy. Ity kristaly ity dia mety hahatratra hatramin' ny 18 sm. Miavaka noho ny fananany pôlikrôisma tena matanjaka izy. Ny kôrdierita, izay mineraly avy amin' ny vatolampy be tanimanga nandalo fiofohana (matamôrfika), dia hita indrindra amin' ny sistan-kôrdierita sy amin' ny andalozita.

Misy ny kôrdierita pôlimôrfa amin' ny maripana ambony, atao hoe indialita, izay mitovy firafitra amin' ny berila ary misy fitsinjaran' ny Al kianjoanjo ao amin' ny peratra (Si,Al)6O18

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]