Kônsily fahefatra tao Kônstantinôpôly

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny Kônsily fahefatra tao Kônstantinôpôly na Kônsily fahefatra tao Kônstantinôpla dia kônsily ekiomenika fahavalo teo amin' ny tantaran' ny Fiangonana kristiana. Io no kônsily nampisaraka ny Fiangonan' i Rôma sy ny Fiangonan' i Kônstantinôpôly. Notapahana fa ny Lovantsofina na Lovampinoana dia isan' ny fitsipiky ny finoana koa manampy ny Soratra masina. Nohelohina ny fiheverana ny olona ho fitambaran-javatra telo, dia ny vatana sy ny fanahin' ny vatana ary ny fanahy; ary nohamafisina ny fiheverana ny olombelona ho fitambaran-javatra roa, dia ny vatana sy ny fanahin' ny vatana.

Nataon' ny Fiangonana tandrefana hoe mivoaka amin' ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy masina: izany no atao amin' ny teny latina hoe Filioque ("sy ny Zanaka"). Tsy neken' ny Fiangonana ôrtôdôksa izany kônsily izany. Nitsipaka ny fanovanana ny hoe Filioque amin' ny Fanekem-pinoana nikeana izany kônsily izany. Ny Fiangonan' i Rôma dia nino fa mivoaka amin' ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina fa ny Fiangonan' i Kônstantinôpôly kosa tsy nanaiky an' izany fa nanamafy ny fivoahan' ny Fanahy Masina amin' ny Ray irery ihany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]