Isan-jato

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Isan-jato

Ny isan-jato, amin' ny matematika, dia isa na taha aseho amin' ny alalan' ny ampahan' ny 100. Isa tsy misy habe ny isan-jato. Ny isan-jato amin' ny ampahan' ny vondrona iray (na lamina fizika iray) dia ny tahan' ny refin' io ampahany io amin' ny refin' ny vondrona (na ny rafitra fizika) iray manontolo, izay aseho amin' ny alalan' ny ampahan' ny zato.

Na dia isa tsy manana habe ny isan-jato, nefa tiana hampahatsiahivina ny niandohany, dia matetika arahin' ny famantarana "%", na indraindray "/100" na "isan-jato". Izany isa izany dia eo anelanelan' ny 0 sy 100 (ohatra 66% na 66 %), ka mety anisany ny 0 (ohatra 0% na 0 %) sy ny 100 (ohatra 100% na 100 %). Ny taha 0,052 dia mitovy amin' ny isan-jato 5,2 % (na "5,2/100" na "5,2 isan-jato").

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]