Faritanin' i Semnan

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Ny Faritanin' i Semnan

Ny Faritanin' i Semnan dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Any amin' ny tapany avaratr' ilay firenena no misy azy, ary i Semnan no renivohiny. Ity faritany ity dia manana velarana 96 816 km² ary mipaka hatrany amin' ny faritr' i Elburz ary manamorona ny tany efitra Dasht-e Kavir any atsimo.

Ny departemanta ao amin' ilay faritany dia ahitana an' i Semnan, i Damghan, i Shahrud ary i Garmsar. Tamin' ny taona 1996 dia nisy mponina teo ho eo amin' ny 501 000 ilay faritany ary tamin' ny taona 2005 dia nisy mponina 119 778 ny tanànan' i Semnan, ary ny tanànan' i Shahrud, izay tanàna lehibe indrindra ao amin' ilay faritany dia nisy mponina 131 831. Tafiditra ao anatin' ny Faritra 1 ity faritany ity tamin' ny 22 Jona 2014, satria navondrona ho faritra 5 ny faritany ao Iràna ho fandrindrana sy fampandrosoana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]