Betela

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Ny sisam-paharavana ao Beitin, toerana nisy an' i Betela fahiny, tamin' ny taonjato faha-19

I Betela dia anaran' ny toerana iray resahina matetika ao amin' ny Baiboly hebreo. Voalaza voalohany ao amin' ny Genesisy 12:8 fa teo akaikin' ny nanorenan' i Abrama ny lainy izy io. Tatỳ aoriana, ao amin' ny Genesisy, dia io no toerana nanofisin' i Jakôba nahitany anjely sy Andriamanitra, ka izany no niantsoany azy hoe Betela, izany hoe "Tranon' Andriamanitra". Mbola ampiasaina koa io anarana io hanondroana ny tanàna an-tsisin-tany eo anelanelan' ny tanin' ny fokon' i Benjamina israelita sy ny an' ny fokon' i Efraima, izay an' ny Benjamita taloha ary lasan' ny Efraimita tatỳ aoriana.

Amin' ny fiteny ogaritika io toerana io dia atao hoe bt il, midika hoe "Tranon' i El" na "Tranon' Andriamanitra"; amin' ny teny hebreo: בֵּית אֵל‎ / Bēṯ 'Ēl, nadika koa hoe Bethel, Beth-El, Beit El; amin' ny teny grika: Βαιθήλ / Baithél; amin' ny teny latinina: Bethel.