Fiteny gojaraty

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny fiteny gojaraty (ગુજરાતી / Gujǎrātī) dia fiteny indo-eôropeanina any India. Io no fiten' ny tompontanin' i Gujarat. Misy olona 46 tapitrisa no miteny gojaraty any India sy maneran-tany. Ny fiteny gojaraty no tenin-drenin' i Mohandas Gandhi sy i Ali Jinnah ary i Sardar Vallabhbhai Patel.

Tantaran'ny fiteny Gujarati

Ny fiteny gojaraty ankehitriny (manan-tsipelina Gujerati, Gujarathi, Guzratee, Guujaratee, Gujrathi, na Gujerathi) dia fiteny avy amin' ny fiteny sanskrity. Manan-tsokajy telo ny fiteny gojaraty :

Ny fiteny gojaraty taloha

Ny fiteny gojaraty taloha (1100 - 1500) dia razan' ny fiteny gojaraty ankehitriny ary razan' ny fiteny rajastany. Ny olona niteny io fiteny io dia any avaratra ny faritra Gujarat sy any andrefan' ny faritra Rajastan.