Mangosta

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 3 Novambra 2023 à 07:19 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara) (Karazam-biby mampinono kely mpihinan-kena.)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)
Aller à la navigation Aller à la recherche
Fanangonan-tsarina mangosta - ambony ankavia: Suricata suricatta; ambony ankavanana: Cynictis penicillata; ambany ankavia: Galerella sanguinea; ambany ankavanana: Herpestes edwardsii

Ny mangosta dia biby mampinono kely mpihinan-kena ao amin' ny fianakaviana Herpestidae. Ity fianakaviana ity dia mizara zana-pianakaviana roa, dia ny Herpestinae sy ny Mungotinae. Ny Herpestinae dia ahitana karazana 23 izay teratany any amin' ny faritra atsimo amin' i Eorôpa, aty Afrika ary any Azia, fa ny Mungotinae kosa dia ahitana karazana 11 avy aty Afrika. Ny Herpestidae dia nipoitra teo amin' ny 21,8 ± 3,6 tapitrisa taona lasa izay tany amin' ny Ampahany avoalohany amin' ny vanim-potoana Miôsena ary nizara ho taranaka roa lehibe teo anelanelan'ny 19,1 sy 18,5 ± 3,5 tapitrisa taona lasa izay.

Ny mangosta dia mpihinana bibikely, foza, kankan-tany, androngo, biby mpikiky ary biby madinika hafa. Tsy misalasala mihinana atody, fatim-biby ary voankazo indraindray izy ireo.